𝗗𝗚𝗖𝗙 - 𝗣𝗹𝗮𝗻 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 𝗱𝗲 𝗗é𝗰𝗲𝗻𝘁𝗿𝗮𝗹𝗶𝘀𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗘𝗺𝗲𝗿𝗴𝗲𝗻𝘁𝗲 (𝗣𝗡𝗗𝗘) – Nisy ny 'Visioconférence' niarahan'ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier, Inspecteur Général d'Etat RASAHAVELO, tamin'ireo delegem-paritrin'ny Contrôle Financier ny talata 01 aogositra teo.



Lahadinika tamin'izany ny fifanakalonzan-kevitra mahakasika ny fandraisana anjara mavitrika ho entin'ny Contôle Financier eny anivon'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny 'Collectivités Territoriales Décentralisées' (CTD). Izany moa dia tafiditra indrindra ao anatin'ny fanatanterahana ny 'Plan National de Décentralisation Emergente' (PNDE).


Santatra ambavarano ihany moa ny dinika natao tamin'io fotoana io fa mbola hisy ny fanamafisana sy fandravonana ireo hevitra iombonana izay tapaka.


➡️ Tsara ny manamarika fa izao no tafa sy dinika arak'asa voalohany nataon'Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier niaraka tamin'ireo delegem-paritra taorian'ny fanendrena vaovao ireo delegen'ny Contrôle Financier araka ny 'décret' laharana faha 2023-893 izay nanankery nanomboka ny zoma 21 jolay 2023.