.

MINISTERE DE L'ECONOMIE ET DES FINANCES

Fanohanana ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny « Lalaon’ny Nosy » na « Jeux des Iles de l’Océan Indien » 2019

 

Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola no voatendry hiahy ireo atleta malagasy hiatrika ny « Lalaon’ny Nosy » amin’ity taona 2019 ity. Lalao ho tanterahina ao amin’ny Nosy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay ho avy izao. 

Amin’ny maha-mpiahy azy, dia tonga nijery ireo atleta malagasy Atoa Richard RANDRIAMANDRATO anio 05 aprily 2019 teny amin’ny kianjan’Alarobia. Fotoana nampihaonana ireo atleta malagasy rehetra handray anjara amin’io lalao io miaraka amin’ireo mpanazatra avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara.  

Nandritra izany fihaonana izany no nahafahan’ny Filohan’ny Federasiona Norolalao ANDRIAMAHAZO sy ireo mpanazatra rehetra ary ny atleta malagasy nanazava tamin’Andriamatoa minisitra ireo olana mbola sedrain’ny atleta amin’izao fotoana izao, fa ihany koa nanehoan’izy ireo ny fahazotoany sy ny fahavononany hitondra avo ny voninahim-pirenena mandritra ny « Lalaon’ny Nosy ».

Ho an’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola kosa dia fotoana nanehoany fa tena manohana tanteraka ireo atleta ireo izy sy ny minisitera tarihiny. Endrika nanehoany izany fanohanana izany ny fanolorana lelavola ho an’ireo atleta malagasy ireo, ho fanampiana azy ireo mandritry izao fanazaran-tena ataon’izy ireo izao.

Plan du site :: Ministère de l'Economie et des Finances - Républiques de Madagascar