.

FIFANARAHANA ARA-BOLA  nolanian’ny Antenimieram-pirenena androany


Fifanarahana ara-bola anankiroa no nolanian’ny Antenimieram-pirenena androany 06 Aogositra 2021. Ny voalohany izay mitentina 200.000.000 USD dia mahakasika ny tetikasa « Durabilité du secteur routier à Madagascar » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Hanatsarana ny fikojakojana ny lalana sy hampaharitra ireny fotodrafitrasa ireny no tanjon’ity tetikasa ity izay mizara singa-fototra telo. (i) Fanatsarana ny toetry ny làlana amin’ny ankapobeny ny voalohany. (ii)   Fanampiana tekinika sy fanampiana amin’ny fanatsarana ny sehatry ny làlana sy ny fitaterana ny singa faharoa. Ary (iii) fametrahana fomba fiasa hahafahana mamaha avy hatrany ny olana mitranga ny singa fahatelo.
Famatsiam-bola ny  tetikasa fanampiana ny  fananganana taozava-dehibe  sy ny sehatra ara-bola na ny “Projet d’appui à l’industrialisation et au secteur financier” (PAISF) kosa ny faharoa. 16.912.000 USD avy amin’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) sy 854.000 USD izay anjaran’ny Fanjakana Malagasy no hanatanterahana ny tetikasa. Mifandraika tanteraka amin’ny soridalana stratejikan’ ny “Plan pour l’Emergence de Madagascar” na PEM ity tetikasa ity satria manampy amin’ny fanomezana asa mendrika ny rehetra sy manamafy ny fampidirana amin’ny sehatrin’ny toe-karena sy sosialy ny vehivavy sy ny tanora. Mampiroborobo ny indostria sy mampandroso ny sehatra momba ny orinasa taozavatra sy momba ny varotra, ary ny fanondranana entana ihany koa ny PAISF. Ny orinasa madinika sy antonony, ny vahoaka ary ny Fanjakana Malagasy mihintsy arak’izany no hahazo tombony amin’ity tetikasa ity. 

Plan du site ::