.

Varavarana misokatra notontosaina teto amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Antananarivo, faha-24 jona 2021. Nisokatra ho an’ny daholobe ny Tranon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) eo Ambatonakanga. Tontosa ny varavarana misokatra nokarakaraina ho an’ny daholobe ka namoriana ireo departemanta isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera.

Izany fihaonana izany dia nentina nifampizarana sy nampirantiana ireo asa maro tanterihana sy ireo fanavaozana eto amin’ny MEF. Tafavory anaty sehatra iray ireo foibem-pitondrana Ankapobe miisa folo eto amin’ny Minisitera dia ny :

  • Tahirim-bolam-panjakana (Trésor Malagasy)
  • Fadintseranana (Douanes)
  • Manamahefa Mpandrindra ny Tsenam-baro-panjakana (ARMP)
  • Foibem-pitondrana Ankapobe momba ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana (DGEP)
  • Foibem-pitondrana Ankapobe ny fanaraha-maso ny fampiasam-bolam-panjakana (DGCF)
  • Foibem-pitondrana Ankepobe momba ny Hetra (DGI)
  • Instat
  • Filankevitra ambony momba ny Fitana-kaonty (CSC)
  • Vaomiara nasionaly mpanara-maso ny Tsenam-baro-panjakana (CNM)
  • Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny Fitondrana Ankapobeny (DGFAG).

Tonga nanatrika ny fanokafana io varavarana misokatra io ireo tomponandraikitra voalohany amin’ireo departemanta ireo ary nitondra fanazavana mahakasika ireo asa fanavaozana sy ireo zava-bita amin’ny foibem-pitondrany tsirairay avy.  

Ny varavarana misokatra, moa dia nahafahan’ny Minisitera nifampizara amin’ny vahoaka amin’ny ankapobeny ireo asa fampandrosoana eto anivon’ny Minisitera. Nampahafantarina tao ihany koa ireo asa fanavaozana mifanandrify amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fikirakirana amin’ny solosaina ireo tolotra ho an’ny mpisitraka ny asam-panjakana (digitalisation) sy ny fanamaivana ny fomba arahina (procédures) izay heverina fa mahatsaratsara kokoa ny tolotra ho azy ireo eto anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

 

Plan du site ::