.

« Enquête Démographique et de Santé - EDS » andiany faha-5

Mandondom-baravarana ny INSTAT

Ahafantarana ny toe-pahasalaman’ny vahoaka Malagasy, ahafahana manangana drafitr’asa fampandrosoana miantefa mivantana amintsika, ny INSTAT dia manatanteraka fanadihadiana momba ny reny sy ny zaza, na ny « Enquête Démographique et de Santé - EDS » andiany faha-5 manerana ny faritra 22, ny volana Janoary hatramin’ny volana Jolay 2021.

Ireto avy no tanterahina mandritra io fotoana io : fandanjana, fandrefesana, fitiliana tazomoka sy tsy fahampian-drà.

Mijanona ho tsiambarantelo tanteraka ny valim-panontaniana.

Raiso tsara ireo mpanadihady, omeo valiny marina sy feno.

Mitondra fanamiana, « Badge » sy taratasy fanirahana izy ireo.

Vahoaka salama, firenena mivoatra !

Plan du site ::