.

Antenimieram-pirenena : Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola 2021

 

Nolanian’ny Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana.

Raha ny voarakitra ao anatin'ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan'ny fitombon'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2021. 

Nitondran’ny Solombavam-bahoaka fanintsiana kosa ny mahakasika  ny fanafoanana ny hetra alaina amin'ny tataom-bidy (TVA) eo amin’ny famarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fananganana ny tahirin’ny volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

Plan du site ::