La douane malgache à l'écoute: pour toute demande d'information, doléances, dénonciations ou besoin d'assistance, contactez le numéro vert 360

Partenariat entre la Direction Générale des Impôts et la CNaPS

 

La cérémonie de signature de la convention entre la Direction Générale des Impôts et la Caisse Nationale de Prévoyance Sociale s'est tenue ce lundi 14 Septembre 2020 à l'immeuble du Ministère de l'Economie et des Finances à Antaninarenina.

Il s'agit de la mise en place d'une plateforme d'échange de données et de partage d’informations ainsi que d’un système de déclaration unique des impôts et cotisations sociales. Cette plateforme permettra d'une part pour les administrations l'optimisation et la sécurisation des transactions et de la collecte des ressources publiques, la disposition  d’un centre de données, une bonne base en vue de la dématérialisation, un support ou programme informatique dont la conception et la mise en place sont assurées par un prestataire. D'autre part, pour les usagers, elle visera l'amélioration continue des services qui leur sont rendus ainsi que l’environnement général de la sécurité sociale à Madagascar, mais également la facilitation des obligations des entreprises (télédéclaration et télépaiement de I'IRSA et des cotisations sociales dans un formulaire unique).

La DGI  s'engage à faciliter les procédures, formalités et démarches relatives à la mise en place du système de déclaration unique, à mettre à la disposition du prestataire toutes les données et informations dont dispose le SSIF ainsi que tout autre type d’informations concernant les contribuables. La CNAPS quant à elle prendra en charge  la saisie des déclarations nominatives de salaires des adhérents et leur insertion dans la base de données.

La cérémonie a vu la présence du Ministre de l’Economie et de Finances M. RANDRIAMANDRATO Richard, du Ministre du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales Mme RANAMPY Gisèle, de la  Secrétaire Général du MEF  Mme RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, du Secrétaire Général du MFPLS M. RAZAFIMAMONJY  Laza Rabary, du Directeur Général des Impôts M. GERMAIN, du Directeur Général de la CNaPS M. RAKOTONDRAIBE Mamy, et de la Coordinatrice des projets PAPSP et PRODIGY Mme DELMOTTE Stéphanie.

 

 

FAMPITAM-BAOVAO

 Fifanaraham-piaraha-miasa ao amin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra sy ny CNaPS

 

Ny lanonana fanaovan-tsonia ny fifanarahana nataon’ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny Hetra (DGI) sy ny « Caisse Nationale de Prévoyance Sociale » dia notanterahana ny Alatsinainy 14 Septambre 2020 tao amin’ny tranon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola Antaninarenina.

Izany dia ho fametrahana ny sehatra natao ifanakalozana sy ifampizarana angom-baovao sy ny rafitra entina hanaovana fanambaran-ketra tokana sy ireo latsakemboka sosialy. Io sehatra io, etsy andaniny, dia hahafahan’ny Fitondrampanjakàna mametraka amin’ny toerana mahamety azy sy miaro ireo fifanakalozana sy ireo fampidiram-bolam-panjakàna, mametraka ho azo ampiasaina ny ivotoerana ahitana ireo antontanisa, ny fototra mety hanorenana ny hetsika ialana amin’ny fikirakirana antontan-taratasy marobe, ny fitaovana na rindram-baiko ara-informatika izay hovolavolaina sy apetraka ho azo ampiasain’ny matihanina ivelany. Etsy ankilany, ho an’ireo mpanjifa, izy io dia hikendry ny fanatsarana tsy an-kiato ny tolo-draharaha izay omena azy ireo sy ny tontolo ankapoben’ny fiarovana ara-tsosialy eto Madagasikara, ary ny fanamoràna ny fanambaràna tokony ataon’ireo orinasa (« télédéclaration » sy « télépaiement » atao momba ny IRSA sy ireo latsakemboka sosialy ao anatin’ny fanambarana tokana).

Ny DGI dia nanao fanekena fa hanamora ireo laminasa, ireo fomba atao sy ireo hetsika mifandray amin’ny fametrahana rafitra fanaovana fanambaràna tokana, hanome ireo antontanisa sy angom-baovao izay misy eo amin’ny SSIF, sy ny karazana angom-baovao hafa momba ireo mpandoa hetra. Ny CNAPS indray dia handray an-tanana ny fandraiketana an-tsoratra ireo fanambaràna isaky ny mpiasa momba ireo karama raisin’ny mpiasa mpikambana ao aminy sy ny fampidirana izany anaty Fitahirizam-baovao.

Ny lanonana dia natrehan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny asam-panjakàna ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa RANAMPY Gisèle, ny Sekretera Jeneralin’ny MEF Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, ny Lehiben’ny Foibempitondrana ankapobeny momba ny Hetra Andriamatoa GERMAIN, ny Lehiben’ny Fitantanana ankapobeny ny CNaPS Andriamatoa RAKOTONDRAIBE Mamy, ary ny Mpandrindra ireo tetikasa PAPSP sy PRODIGY Ramatoa DELMOTTE Stéphanie.

Plan du site ::