.

Fikaonan-dohan’ireo Sekretera jeneraly ao anatin’ny laminasa fanomanana ny LFI 2021

 

Ao anatin’ny fanomanana ny Lalàna hifehy ny fitantanambolam-panjakana 2021 dia nisy ny fivoriana nataon’ireo Sekretera jeneraly mandritra ny andron’ny 10 sy 11 septambra 2020 mba entina hamerana sy hanitsiana ny CDMT (Cadrage de Dépense à Moyen Terme) natolotr’ireo Departemanta isan-tsokajiny eny anatin’ireo Minisitera sy Andrim-panjakana, manaraka ireo zavatra noferan’ny lasitra ara-faobe sy ny tetibola.

Tanjona amin’izany ny fanamoràna ny fandraisana fanapahakevitra sy ny fankatoavana izany volavolan-dalàna mifehy ny fitantanambolam-panjakana 2021 izany eny anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ireo volavolana CDMT dia tokony ho mora vakiana, miainga amin’ny zava-misy marina sy azo tanterahana, mifanentana amin’ny zavatra takiana. Marihana fa tokony ahitana taratra ny laharampahamehana napetraky ny Fitondram-panjakana izany tetibola narafitra izany indrindra noho ny toe-draharaha sarotra eo amin’ny lafiny toekarena izay nentin’ny Krizy ara-pahasalamana nitranga teto amin’izao tontolo izao noho ny COVID-19. Noho izany dia tsy maintsy miroso amin’ny famaritana ny laharam-pahamehan’ny fanadaniam-bola isika araka any fanambarana nataon’Andriamatoa Valery RAMONJAVELO Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, nandritra ny fotoam-panokafana ny fivoriana.

Nandritra ity fivoriana naharitra roa andro ity dia nandalo tsirairay nanohana ny lahan’asa ireo Sekretera Jeneraly avy amin’ny Minisitera tsirairay. Ny tanjona moa dia endrika efa madio sy milamina no volavolan-dalàna hatolotra hankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra.

Tao anatin’ny antonta-taratasy lasitra ho an’ny fanomanana ity lalàna hifehy ny fitantanambolam-panjakana ho an’ny taona 2021 ity, dia nangatahana tamin’ny Minisitera sy ny Andrimpanjakana ny hijereny ny volavola atolotr’izy raha mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakàna, hametraka ho laharampahamehana ny fanohizana ireo tetikasa efa natomboka ny taona 2020, hikendry ny tombony lehibe azo eo amin’ny lafiny sosialy sy ny toekarena amin’ny alalan’ny fametrahana ho laharampahamehana ireo tetikasa izay manana tahirin-kery amin’ny famoronana asa sy hitarika amin’ny fampitomboana ny toekarena ary farany mijery ny mety ho fiaraha-miasa sy fifamenoan’ireo fanapahakevitra sy asa, izay mitondra amin’ny fampandrosoana iaraha-misitraka sy lovain-jafy.

Ny Sekretera Jenerelin’ny Governemanta, Ramatoa RAZANADRAINIARISON Rondro Lucette kosa no nitarika ny fotoana rehetra nandritra ny roa andro nanatanterahana ny fivoriana. Ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanambola izay notarihin-dramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, Sekretera Jeneraliny, miaraka amin’ Andriamatoa RANDIMBIARISOA Oliva, Tale Jeneralin’ny Fitantanambola sy ny raharaha ankapobeny ary ireo mpiara-miasa aminy kosa no nandravona ny tolo-kevitra rehetra nivoaka tao ary handrafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibola 2021 izay ho atolotra ho dinihan’ny Filankevitry ny Minisitra.

 

 

Plan du site ::