.

Manoloana ny krizy vokatry ny Covid-19, La frantsa, amin’ny alalan’ny AFD, dia manamafy ny fanohana ny Governemanta Malagasy eo amin’ny fitantanany ireo tandindon-doza, amin’ny alalan’ny Cat DDO

 

Antananarivo, 6 Aogositra 2020 – Ao anatin’ny drafitra hiatrehana ny valanaretina Covid-19, ny Governemanta Malagasy sy ny « Agence française de développement (AFD) »,  teo ambany fanatrehan’Andriamatoa Masoivoho Frantsay androany, dia nanatanteraka ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola mitentina 60 miliara Ariary (15 tapitrisa Euro). Izy io dia entina hanampiana ny Cat DDO, izay ahafahana manatsara ny fahaiza-manao ara-teknika, ara-drafitra sy ara-bolan’ny Governemanta ao anatin’ny fitantanany ny tandindon-doza sy ny loza.

Ny fampindramam-bola noho ny voina dia hahafahana mamatsy ireo famoaham-bola ilaina atao ho an’ny Fanjakana kanefa mihena ireo vola miditra aminy, ary manetsika ireo loharanom-bola fanampiny hiatrehana ny krizy ara-pahasalamana , indrindra ireo fandaharanasa fanampiana ireo mponina tena marefo manoloana ireo loza ara-boajanahary sy ara-pahasalamana.

Tamin’ny volana Desambra 2019, ny Fitondrana Frantsay tamin’ny alalan’ny AFD dia nanome fankatoavana ny famatsiam-bola 40 miliara Ariary (10 tapitrisa Euro) ho an’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Ny fandaharanasa novolavolaina niaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena izay miantoka ny famatsiam-bola  iarahana manao sandaina ho 50 tapitrisa USD, dia maneho finiavana hanampy ireo ezaka ataon’ny Governemanta anatin’ny fiatrehany ireo loza ara-boajanahary goavana. Tamin’ny volana janoary 2020, ny Fitondram-panjakana dia nanapa-kevitra fa hampiasa ny ampaham-bola amin’io ho entina miatrika ny voka-dratsin’ireo orana nikija sy ireo tondra-drano izay niantraika tamin’ny distrika miisa fito tany amin’ny ilany Avaratra-Andrefan’ny Nosy.

Nanomboka ny volana marsa 2020 anefa, ny valanaretina Covid-19 dia nitondra vokatra ratsy goavana tao anatin’ny fotoana fohy ezaka, na teo amin’ny lafiny toekarena izany, na sosialy sy ara-bola. Ny tahatombon’ny toekarena izay andrasana ho an’ny taona 2020 dia nampidinin’ny FMI ho 1 %. Ny fizahan-tany, ny indostria mpamokatra lamba sy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no sehatra tena voamafy. Ny fihenan’ny famokarana dia mety hitondra amin’ny fitomboan’ny tahan’ny fahantrana eo amin’ny 2 %.  Noho ireo voka-dratsy nentin’ity krizy ity dia noraisina niaraka ny fanapaha-kevitra fa ny Fitondram-panjakana Malagasy dia hisitraka famatsiam-bola fanampiny entina hanohanana ny fanatanterahana ny fandaharanasa natomboka tamin’ny taona  2019.

Ny fandaharanasa dia mifototra amin’ny fampindramam-bola noho ny voina, ka ny famoahana ireo vola dia tanterahana rehefa misy ny loza ara-boajanahary mitranga. Tafiditra ao anatin’izany ny loza eo amin’ny lafiny fahasalamana. Mira zotra amin’izany, ny Governemanta Malgasy dia manao fanekena ho fameno anatin’ny lasitra ho an’ny politikam-panjakana izay mitondra amin’ny : fanamafisana ny rafitra nasionaly fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, ny fanamafisana ny fahafaha-mihetsika ara-bolan’ny Fanjakana eo amin’ny firotsahana an-tsehatra rehefa misy ny loza mitranga, sy ny fampidirana ny fiheverana ny zavatra rehetra manodidina ny fiovaovan’ny toetrandro ao anatin’ny teti-pivoarana ho an’ny fitsinjaram-paritra sy ho an’ny tanan-dehibe.

Ny fitondram-panjakana Malagasy dia omena fanampiana ao anatin’ny fanatanterahana ireo hetsika fanavaozana ireo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahaiza-manao ara-teknika vatsiana avy amin’ny fanampiana ara-bola.  Ny fanampian’I Lafrantsa amin’ny alalan’ny AFD, izay lelavola mitentina 6 miliara Ariary (1,5 tapitrisa Euro) dia hifantoka manokana amin’ny maha-zava-dehibe ireo hery ahafahana miatrika ireo loza ananan’ireo tanan-dehibe manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro, izay sehatra iasan’ny AFD lehibe kokoa, mifandray amin’ireo tetikasa lehibe vatsiany vola eto Madagasikara sy eto amin’ny ranomasimbe indiana.

Plan du site ::