.

Tonga nisaotra ary nankahery hatrany ny mpamonjy voina ny Fitondram-panjakàna

 

Manoloana ny andraikitra izay nasehon’ireo mpamonjy voina omaly alina nandritra ny fahamaizan’ny trano misy ny foiben’ny ONE etsy Antaninarenina ka nahafahana nifehy ny tsy fihitaran’izany tamin’ireo trano sy biraom-panjakàna rehetra manodidina.

Anio maraina ihany, dia tonga naneho fisaorana ireo mpamonjy voina izay notronon’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra, Naina ANDRIANTSITOHAINA, sy ny manam-boninahitra mpifehy ny vondron’ny mpamonjy voina esty Tsaralalàna ny Fitondram-panjakàna izay nosoloin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard RANDRIAMANDRATO tena.

Nankahery sy nirary soa hatrany ny mpamonjy voina eto anivon’ny CUA ihany koa ireto farany amin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany ny asa mavesatra sahanin’izy ireo.

Plan du site ::