.

Fandaminana ny fizarana Fisotroan-dronono eny amin'ny Tahirimbolam-panjakana :: Jona 2020

 

Toy ny isan-taona dia miroso ny andro voalohany andoavan'ny Tahirimbolam-panjakana ny fisotroan-dronono volana Jona. Izany no atao dia mba ahafahan'ireo Zokiolona manomana malalaka ny asaramanitra. Ho an'ireo any amin'ny faritra kosa dia miankina amin'ny fahatongavan'ny "titre de pension" any an-toerana ny fanombohan'ny fitsinjarana. Efa noezahana nalefa mialoha any amin'ny Paositra ihany ireo.
Marihina fa ny dimy andro voalohany ihany no mila manaraka ireo lamina ireo fa ny andro manaraka kosa dia afaka tonga amin'izay fotoana mampety azy ny tsirairay. Manana telo volana rahateo ny mpisotro ronono iray hakany ny fisotroan-drononony.
Indro ary atolotra antsika ny lamina mahakasika ny fitsinjarana amin'ity volana ity.

 

 

Plan du site ::