.

Fanaterana ny « CERTIFICAT DE VIE » ao amin'ny  PAIERIE GÉNÉRALE D’ANTANANARIVO ho an'ireo mpandray fisotroan-dronono amin'ny alalan'ny « VIREMENT BANCAIRE »



Ilazana isika mpandray fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny « virement bancaire », mpanatitra ny « certificat de vie » eny amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo fa nohon’ ny fitohizan’ny hamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire) dia napetraka izao fandaminana manaraka izao :
Ny faha - 11 ka hatramin’ny faha - 15 ny volana may no fanaterana ny « certificat de vie » eny amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo.

Tsy misy ny fandraisana izany ny telo andro voalohany fandoavana ny pension.

Miverina mandray izany kosa ny Paierie Générale d’Antananarivo manomboka ny 22 may ka mandrapahatapitry ny volana.

Ny Tahirimbolam-panjakana dia mankasitraka antsika amin’ny fanarahana ny lamina napetraka.

 

Plan du site ::