.

Mitohy ny asa eo anivon'ny Foibem-pitantananana ankapobeny ny hetra

 

"Ao anatin’izao vanim-potoan’ny fahamehana ara-pahasalamana nodidian’ny Fitondram-panjakana izao dia mitohy hatrany ny asa eo anivon’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra. Izany hoe misokatra avokoa ny biraon’ny hetra ary mandray olona. Ireo ivon-ketra sy sampan-draharaha samihafa amin'ireo Faritra voakasiky ny fihibohana kosa dia manatanteraka ny asa farany kely na "service minimum", isanandro amin'ny 8 ora ka hatramin’ny 1 ora tolakandro. 

Manoloana ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena mikasika ny ady amin’ny firongatry ny valan’aretina COVID-19 dia nandray ny andraikitra tandrify azy ihany koa ny DGI tamin'ny alalan’ny fizarana arovava sy arotanana ary "gel hydro alcoolique" tamin'ireo mpiara-miasa.

Fanampin’izany, ankoatra ny fitsapana hafanana sy fampiasana ny "gel", dia napetraka teny amin'ireo ivon-ketra rehetra eto Antananarivo ihany koa ny "bidons" misy rano madio sy savony. 

Izany no natao dia mba ho fiarovana ireo mpandoa hetra, izay tsy maintsy manasa tanana alohan’ny hidirany ao amin’ny birao, sy ireo mpiasa."

 

 

Plan du site ::