.

TOROMARIKA AMIN’NY FAMPIASANA NY TOLOTRA #E_HETRAPHONE :
 

1. Tsindrio ny :

  • AIRTEL MONEY : *436*8*8#
  • MVOLA : #111*1*5*7*2#
  • ORANGE MONEY : #144#3-1-4-1


2. Mahazo hafatra someso izay manana lanja mitovy amin’ireo tapakila na « récépissé » omen’ny ivon-ketra ianao, manamarina fa voarain’ny DGI soa aman-tsara ny hetra naloa.
Manomboka eo dia efa azonao jerena ao amin’ny kaonty Hetraonline (hetraonline.impots.mg) ny fanambarana ara-ketra sy ny hetra naloanao.

3. Afaka 72 ora kosa dia manana safidy ianao :

  • na hamoaka printy izany avy hatrany ny karatrao misy « QR code ».
  • na haka ny Karatry ny mpandoa hetra (CIF) any amin’ny ivon-ketra miandraikitra ny antontan-taratasinao


 Fepetra takiana :

  • Manana Laharam-pamantarana ara-ketra na NIF
  • Manana kaonty Airtel money na MVola na Orange Money


#e_Hetraphone,
✔️ Tsy misy sarany
✔️ Tsy misy fivezivezena
✔️ Azo antoka sy mangarahara

Tolotra ho an'ireo mpandoa hetra eto amin'ny Faritra Analamanga.

Azo ampiasaina tsy ho ela eny amin'ireo Ivon-ketra manerana an'i Madagasikara.

Hotline : 032 12 011 74 - 032 12 011 91