.

Covid 19 : Fidinana ifotony nataon’Atoa Richard Randriamandrato, Minisitrin’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, nijery ny fizotran’ireo lamina manokana napetraka mandritra ny fizarana fisotroan-dronono

 

Antananarivo, faha 17 aprily 2020. Nametraka lamina manokana ny Tahirimbolam-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, teo amin’ny fitsinjarana ny volan’ireo mpandray fisotroan-dronono tao amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra Ambony. Mifandraika indrindra amin’ireo toromarika sy fepetra izay nampitain’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, manoloana ny fisorohana sy fiarovana ny valanaretina COVID-19 eto Madagasikara ireo lamina ireo. Hitohy mandritry ny folo andro ny fampiharana ireo lamina vaovao ireo ary hifarana ny Talata 28 aprily 2020.

Nidina tao amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo sy  ny Recette Générale d’Antananarivo arak’izany ny ministra  Randriamandrato Richard niaraka tamin’ny ministrin’ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah, nijery ifotony ny fizotran’ny lamina vaovao. Nitohy teny amin’ny Plan Anosy izany fitsidihana izany izay niarahan’izy ireo tamin’ny ministry ny Indostria, Rakotomalala Lantosoa izany fitsidihana izany. Tsikaritra fa voahaja amin’ny ankapobeny ny fepetra rehetra tamin’ity andro voalohany ity, toy ny elanelana iray metatra mampisaraka ny olona roa, ny fanaovan’ny isam-batan’olona arovava,  ny fijerena mari-pana, ny fanasana tànana ary ny fanajàna ny tetiandro napetraky ny Tahiribolam-panjakana mandritra ny fizarana ny fisotroan-dronono. 

Tsy niasa irery anefa ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tamin’ny fanatontosana ireo lamina ireo fa nisy ministera telo hafa nifanome tànana taminy. Ny ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa Tànana dia nanolotra aro vava. Nanatanteraka ny fizarana izany arovava izany tamin’ireo zokiolona  ny teo anivon’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Ny ministeran’ny fiarovam-pirenena kosa dia nanaparitaka mpitandro filaminana nandrindra sy nandamina ny fampiharana ireo fepetra noraisina ireo niaraka tamin’ireo mpiara-miasa teto anivon’ny ministeran’ny toekarena.

Nanararaotra ity fihaonana tamin’ny zokiolona ity ireo mpikambana anatin’ny governemanta ireo nitondra fanentanana amin’ny maha-zava-dehibe ny fanajàna ireo fitsipika sy fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fitondram-panjakana. Nanamafy ny ministra Randriamandrato Richard fa ny zokiolona dia sokajiana ho marefo ara-pahasalamana, ary zava-dehibe ny fitsinjovana ny fahasalaman’izy ireo. Izany indrindra no antony nametrahana ireo lamina ireo tamin’ny fandraina ny fisotroan-dronono volana aprily izao. . Nampahafantariny ihany koa fa hohamafisina hatrany ny paikady entina hanentanana ny fitaizana sy ny fanentanana ny olona hiditra amin’ny fandraisana fisotroan-dronono amin’ny endriny hafa toy ny amin’ny alalan’ny banky. Azo heverina ihany koa aoriana ao ny fandraisana izany amin’ny alalan’ny finday. 

Nilaza kosa ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ranjalahy Ihaja, fa tsy hitsahatra ny hanatsara ny tolotra omena ny mpisitraka indrindra ireo zokiolona ny eo anivon’ny Ministera satria manana lanja manokana eo amin’ny soatoavina Malagasy izy zokiolona ireo. Marihina moa fa miisa 44 000 ireo mpisitraka fisotroan-dronono raha ny eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. 

 

 

Covid 19 : Descente du Monsieur Richard Randriamandrato, Ministre de l’Economie et des Finances, au Trésor Public pour constater le respect des mesures spéciales instaurées pour le paiement des pensions des retraités de l’Etat

 

Antananarivo, le 17 avril 2020 - Des dispositions spéciales pour le paiement des pensions dans les Régions Analamanga, Antsinanana et Haute Matsiatra ont été mises en place pour respecter les mesures de prévention et de protection recommandées par le Président de la République dans le cadre de la lutte contre le coronavirus. L’objectif étant de mieux protéger les retraités venus percevoir leurs pensions face à la propagation de cette pandémie à Madagascar. L’organisation mise en place s’étalera sur dix jours et prendra fin le Mardi 28 Avril 2020.

Ainsi, le Ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandrato accompagné du Ministre de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la femme, Irmah Naharimamy Lucien ont effectué une descente à la Paierie Générale d’Antanananarivo et à la Recette Générale d’Antananarivo à Antaninarenina pour constater de visu le bon déroulement de ces dispositions spéciales.

Par la suite, le Ministre de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat, Lantosoa Rakotomalala a rejoint cette délégation pour une autre visite à la Perception Principale d’Atsimondrano, dont le paiement des pensions se déroule au Plan Anosy. Lors de leur rencontre avec les pensionnés,  ils ont tenu à les sensibiliser sur l’importance du respect des mesures sanitaires recommandées par le Gouvernement Malagasy. L’occasion a été saisie par un éminent scientifique Malagasy, pour distribuer et dispenser des conseils sur l’utilisation d’un baume aux pensionnés au niveau de ces deux sites. Il s’agit d’un baume à base de plantes  médicinales que son entreprise produit à Madagascar.

D’une manière générale, les consignes ont été bien respectées, notamment les règles de distanciation d’un mètre, le lavage des mains avec de la solution hydroalcoolique,  le port de masque et le respect du calendrier pré-établi pour éviter l’attroupement. C’est le fruit d’une collaboration étroite entre quatre ministères. En effet, le Ministère de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat a fourni des masques lavables pour les pensionnés. Le Ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la femme a assuré leurs distributions sur les différents sites du Trésor Public. Le Ministère de la Sécurité Publique a pour sa part renforcé la sécurité ainsi que le respect de la distanciation d’un mètre. Enfin, le Ministère de l’Economie et des Finances a mis en place tous les dispositifs requis pour le bon déroulement du paiement des pensions. Par ailleurs, des agents supplémentaires du ministère ont été mobilisés pour l’occasion.

« Les personnes âgées font partie de ce que l’on qualifie de vulnérables. D’où, la nécessité de protéger leur santé. C’est pourquoi nous avons mis en place ces dispositions spéciales pour le grand paiement de ce mois d’Avril », a déclaré le Ministre de l’Economie et des Finances, en marge de leur descente. Il a également annoncé le renforcement de la stratégie de sensibilisation des pensionnés à d’autres moyens de paiement de leurs pensions notamment par virement bancaire. La possibilité de recourir au mobile banking a été également évoquée.  

Le Directeur Général du Trésor, Ihaja Ranjalahy a pour sa part affirmé que le département ne cesse d’améliorer les services rendus aux usagers notamment aux personnes âgées puisqu’elles tiennent une place importante dans la société Malagasy. A l’heure actuelle, environ, 44 000 pensionnés sont recensés auprès du Trésor d’Antananarivo.

 

Plan du site ::