.

FILAZANA :: Fisokafan'ny birao misahana ny "karatra statistika"

 

Ilazana ny besinimaro fa araka ny voalazan'ny didim-pitondrana lah. 7509-2020 nivoaka ny 27 Martsa 2020 izay mitondra fanitsiana amin'ny didim-pitondrana lah. 7487-2020 tamin'ny 24 Martsa 2020 lasa teo, izay manambara ny fepetra ankapobeny mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana, ary nohamafisin'ny naoty navoakan'ny Ministry ny Toekarena sy ny Tetibola ny 06 Aprily 2020 dia tsy voakasiky ny fepetra fikatonana ireo sampandraharaham-panjakana misahana ny fahasalamam-bahoaka, ny fitsarana, ny filaminam-bahoaka, ny fitantanam-bolam-panjakana ary ireo sampandraharaha mifandraika amin'izany.

Noho izany, misokatra ny biraon'ny INSTAT ao amin'ny Faritra Analamanga, Faritra Atsinanana ary ny Faritra Matsiatra Ambony manomboka ny 14 Aprily 2020 isan'andro amin'ny 08 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora atoandro, voakasik'izany ny famoahana ny karatra statistika. Ireo birao any amin'ny faritra hafa dia manohy ny asa andavan'andro.

Marihina fa araka ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika natao tamin'ny 05 Martsa 2020 dia tsy maintsy manao sarombava (cache bouche) avoko ny olona rehetra.

 

 

 

Plan du site ::