.

Nifarana ny fikaonandoham-paritra ho famolavolana ny Tetibola 

 

Nitohy tamin’ity herinandro ity ny fikaonandoham-paritra, fakan-kevitra ifotony ho an’ny fanitsiana ny Tetibolam-panjakana 2020 sy ny famolavolana ny Tetibola Fototra 2021. Ny faritra Vakinankaratra no namarana izay fihaonana ifotony izany anio 21 febroary 2020. Ny faritra Analamanga, Diana, SAVA, Itasy, Bongolava, Boeny, Soafia, Antsinanana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana, Anosy, Ihorombe no nanatanterahana izany ary any Vakinankaratra no hamaranana izany rahampitso. Ho an’Analamanga manokana dia teny amin’ny ENAM Androhibe no nanatanterahana izany.

Nafana ny ady hevitra ary samy naneho ny fahavononany sy ny fahavitrihany ireo mpandray anjara, nahitana ny Loholon’i Madagasikara voafidy teto Analamanga, ny Depiote, ny Ben’ny tanàna, ny Lehiben’ny Distrika miisa 13, ireo Fiarahamonim-pirenena, ary ireo sehatra tsy miankina. Anisan’ny fangatahana nataon’ny faritra Analamanga ohatra ny fampitomboana ny fanampiana omen’ny Fanjakana (Subvention). Tahaka izany koa ny an’ny vakim-pileovan’Antananarivo, izay tsy mba manana ny ho enti-manana hanomezana ny tambin-karama sy saran-dalan’ireo Emmo-Far izay mitandro ny filaminana rehefa misy sahotaka eto amin’ny tanàna.

Ny fitondrana ankehitriny dia miezaka hamaly ny hetahetam-bahoaka miainga any ifotony mba hisy sora-bola mazava ao anatin’ny Tetibolam-panjakana, ao anatin’izany ny Faritra na Distrika na Kaomina. Samy manana ny foto-kareny sy ny otri-karenany avy ny faritra tsirairay ka izay no ilana ny fikaonandoha tahaka izao.

Nambaran’Rajoelison José, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, izay nisolotenan’ny Minisitra, fa “isan’ireo firenena efa tafala tao anatin’ireo sokajiana ho firenena marefo isika izao. Noho izany dia mila manao ezaka isika mba hitadiavana famatsiam-bola misimisy kokoa. Tanjona ny ahatratraranan’ny Politika Ankapoben’ny napetraky ny Fanjakana”.

Tsara ny mampahatsiahy fa efa vita tamin’ny 18 febroary ny fikaonandoham-paritra tahaka izao ny tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Betsiboka, ary vao omaly no vita ny tany Melaky, Analanjorofo, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Andrefana.

 

 

 

Plan du site ::