.

Niova toerana ny Perception principale eny Avaradrano


Andro iray mialoha ny fizarana ny fisotroan-dronono dia notsidihina ary notokanana ny birao vaovaon’ny Perception Principale Avaradrano. Malalaka kokoa raha oharina amin’ny teo aloha ary manafaingana ny fandraisana ireo zokiolona misitraka ny asa eo amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny toerana misy ny birao vaovao.  Raha toa ka telo ny isan’ny caisses teo aloha dia miisa 5 izany ankehitriny ary 9 kosa ny points de délivrace de titre raha toa ka 2 izany teo aloha.  
Nanamafy ny Minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola nandritra ny fotoana nitsidihana ny birao fa : « tafiditra indrindra ao amin’ny Pôlitika ankapoben’ny Fanjakana ary efa toromarika napetraky ny Filoham-pirenena ny fanajàna ireo zokiolona eo amin’ny fandoavana ny fisotroan-dronono ». Marihina fa miisa 4000 mahery ireo pensionnés eny Avaradrano. Raha tsiahivina dia efa naka fepetra ihany koa ny Ministera ny amin’ny Faritra Atsimondrano ho fanatsarana ny fandraisana ireo zokiolona ireo mandritra ny fotoanan’ny Grand Paiement.
Manatsara hatrany ny asa atolotra ireo rehetra mila raharaha eo aminy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Taratr’izay ny ezaka ataon’ny Tahirimbolam-panajakana, indrindra ho an’ireo zokiolona izay mandray ny fisotroan-dronono ao aminy. Raha ny lamina manaraka izay napetraka kosa dia tsy hijanona ho Perception Principale fotsiny ihany ity toeram-piasana vaovao ity fa hitarina ho lasa Trésorerie interménistérielle. Vokatr’izany dia afaka andraisan’ireo Mpiasam-panjakana ny tambinkaraman’izy ireo ihany koa izany toerana izany aoriana kely ao. « Manakaiky ny vahoaka hatrany ny asam-panjakana », hoy ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana.

Plan du site ::