.

Fianianan’ireo Inspecteurs des Douanes vaovao hiditra eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana

 

« Mianiana  aho fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra apetraky ny Fanjakana amiko, ka hiasa am-pahamendrehana sy am-pahamarinana ary hitandro mandrakariva ny tombotsoan’ny daholobe ao anatin’ny fanajàna ny Lalam-panorenana sy ny didy aman-dalàna manan-kery. » Izay no fianianana nataon’ireo Inspecteurs vao handray ny asany ao amin’ny Fadintseranana Malagasy. 

Fanajàna ireo mpisitraka ny asan’ny Fadintseranana, fanajàna ny asa tanterahina, fanajàna sy fanatanterahana ny asa manaraka ireo lalàna manan-kery. Ireo kosa no hafatra nampitain’Andriamatoa RAOELIJAONA Bien Aimé, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola raha nihaona mivantana tamin’izy 30 mianadahy vao nahavita ny fianianana. 

Marihina fa ny Alatsinainy faha-30 ny volana septambra 2019 no nanao fianianana ireo 30 mianadahy ireo ka tao amin’ny hefitranon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany teto Antananarivo no nanatanterahana izany. Raha tsiahivina kosa dia ny Zoma faha 09 ny volana aogositra lasa teo no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ary nandray ny mari-pahaizana sy ny galona mifandraika amin’ny asan’izy ireo ireto Inspecteurs des Douanes ireto. 

 

 

 

Plan du site ::